FITONDRAM-PANJAKANA : MANATONA NY VAHOAKA

Amboasary Atsimo, Faritra Anôsy

Toromarika mazava ny avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana, fa ny Fitondram-panjakana dia mila mametraka paikady mirindra amin'ny sehatra rehetra, ny hanatonana ny vahoaka.

Amin'ny resaka fahasalamana, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka aminy, dia manatanteraka izany fanatonana ny vahoaka izany. Mamonjy ny toerana lavitra, eny ifotony, mba hahafahan’ny isam-batan'olona misitraka mivantana ny tolotra ara-pahasalamana sy mahazo ny fitsaboana.

Santionany amin'izany ny fidinana ifotony notanterahin’ny mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny SDSP Amboasary Atsimo tao amin’ny Fokontany Belavenoke, Kaominina Esira.

Tanjona amin’izany ny hanamora ny fahazoan’ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny fanatonana azy ireo na aiza na aiza ny toerana misy azy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary :DGFS 23-oct.-2026