ANTOKA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA : PAIKADY FANARAHA-MASO NY ARETINA AZO AVY AMIN'NY SAKAFO
Ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, tanterahan'ny Ivotoerana misahana ny Fanaraha-maso ny Fiarovana sy ny Kalitaon'ny Sakafo (ACSSQDA), ny fanaovana atrikasa handrafetana ny fandaharam-piofanana nasionaly momba ny fanaraha-maso ny aretina avy amin'ny sakafo, izay natao ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpiantsehatra voakasika amin'ny fanaraha-maso ny sakafo manomboka eny an-tsaha ka hatrany anaty lovia.
Ity fandraisana andraikitra ity dia anisan'ny ezaky ny Fanjakana ny amin'ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso nasionaly momba ny aretina avy amin'ny sakafo, nohon’ny fitobahan’ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Ny famolavolana izao fandaharam-piofanana izao dia mikendry ny hanome fahaiza-manao manaraka ny kalitao ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo ireo mpiantsehatra amin'ny fanaraha-maso ny sakafo.
Mifantoka amin'ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ireo tranga ara-pahasalamana mifandraika amin'ny sakafo ny votoatin'ny bokim-papianarana, izay hahitana ny fifandraisan'ny fahasalaman'ny olombelona, ny fahasalaman'ny biby ary ny tontolo iainana, mba hahafahana manao ny fanaraha-maso mirindra ireo aretina azo avy amin'ny sakafo.
Ity ezaka ity dia mifototra amin'ny fomba fiasa 'Fahasalamana Tokana' (One Health), izay hanamafy ny fiaraha-miasa sy fiaraha mientan’ireo mpiantsehatra amin'ny fiaroana ny mpanjifa amin’ny fanomezana sakafo azo antoka sy madio ary ara-phasalamana.
Tontosaina tao Ampefy nanomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Oktobra 2026 ary hiaonan'ny mpandray anjara miisa 38 avy amin'ny Andrim-panjakana sy sehatra isan-karazany.
Izao atrikasa izao dia tohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin'ny Fikambanana Maneran-tany momba ny Fahasalamana (OMS).
Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ity hetsika ity dia manao dingana lehibe mankany amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny Firenena eo amin'ny fisorohana, ny fitiliana mialoha ary ny fiatrehana ireo aretina mety azo avy amin'ny sakafo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: ACSSQDA. 23-oct.-2026