OCTOBRE ROSE
Bemasoandro Itaosy, 23 Oktobra 2026
Tanteraka ny lanonana fanamarihana ny "Octobre Rose" 2026, izay natao hanamafisana ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ary hampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha ireo aretina ireo.
Nanome voninahitra ny hetsika dia Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Ephraïm Stephanson RANDRIANAMBININA, , izay nisolotena an-dRamatoa Minisitry Dr. Monira MANAGNA Monira.
Nandritra ity hetsika ity dia nisongadina ny lohahevitra hoe: « Miara-mientana isika hiady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ». Hafatra manentana ny tsirairay sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra izany mba hiara-hisalahy amin’ny ady amin’ireo aretina ireo, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanentanana, ny fisorohana ary ny fitiliana ara-potoana.
Anisan’ny nisongadina nandritra ny hetsika ny fanomezana fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina, niaraka tamin’ny fitiliana aretina isan-karazany, toy ny diabeta sy ny VIH, ary ny fanaovana vaksiny. Ireo tolotra ireo dia natao hanamorana ny fahazoan’ny mponina tolotra ara-pahasalamana sy hampiroboroboana ny fahazarana manatona mpitsabo, mba hahafahana mamantatra mialoha ireo olana ara-pahasalamana sy mandray fepetra mifanaraka amin’izany.
Nohamafisina tamin’izany fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny aina ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha, indrindra eo amin’ny ady amin’ireo homamiadana. Entanina araka izany ny vehivavy mba hanara-maso tsy tapaka ny fahasalamany sy hanatona tobim-pahasalamana raha misy tranga mampiahiahy na mila torohevitra ara-pahasalamana.
Amin’ny ankapobeny, ny fanamarihana ny "Octobre Rose" 2026 tao Bemasoandro Itaosy dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra toy ny mpiara-miombon’antoka sy ny vondrom-piaraha-monina amin'ny Fanjakana, ny amin'ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka.
Ny fahasalamana dia andraikitra iombonana. Ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha dia dingana lehibe hiarovana ny aina sy hanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ny tsirairay.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 23-oct.-2026