FAMPITAOVANA HO AN'NY FAHASALAMAMAM-BAHOAKA - FANAMAFISANA NY FITILIANA SY NY FITSABOANA

Laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanatsarana tsy ankiato ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka eny ifotony amin'ny alalan'ny fampitaovana ny Hôpitaly manerana ny Nosy.

Notanterahina mazava izany paikady izany ary santionan'ny amin'ny izany ny fanolorana "microscope" vaovao ny toeram-pitiliana "laboratoire" teo anivon'ny CHRD II Andilamena sy Amparafaravola.

Fanolorana azo avy amin'ny fiaraha mientanan'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny asa fitiliana sy ny fanamafisana ny fahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana manome tolotra tsara kalitao izao fampitaovana izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary 27-oct.-2026