FIARAHA MISALAHY HO FAMPIROBOROBOANA SY FANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY VIH/SIDA ETO MADAGASIKARA
Radisson Blu, Ambodivona
Ity fihaonana ity dia natao ho sehatra ifanakalozan-kevitra sy fifampizaràna vaovao eo amin’ireo mpiantsehatra voakasika amin’ny ady amin’ny VIH, mba hanamafisana ny fandrindrana ny asa, ny fifamenoan’ny ezaka ary ny fahombiazan’ny valin-kafatra nasionaly.
Nandritra ny hetsika dia Ramatoa Tale Jeneralin’ny (INSPC), Profesora RAVAOARISOA Lantonirina, no nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Zava-dehibe sy tena ilaina amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny VIH/SIDA ny fananana ireo vokatra farany azo avy amin’ny Fanadihadiana Nasionaly momba ny fiparitahan’ny VIH (fanadihadiana momba ny séroprévalence). Ireo antontan-kevitra ireo dia loharanom-baovao lehibe ahafahana mamantatra ny toe-draharaha ara-epidemiolojika, mamaritra ireo laharam-pahamehana ary mikendry ireo vokatra andrasana amin’ny alalan’ny paikady mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filàna eny an-kianja.
Ny tanjona ankapoben’ity hetsika ity dia ny handray anjara amin’ny fanamafisana ny fitantanana, ny fandrindrana ary ny fahombiazan’ny valin-kafatra nasionaly manoloana ny VIH, amin’ny alalan’ny fanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka sy ny fanatsarana ny fifamenoan’ny asa sy ny andraikitra sahanin’ny tsirairay.
Ny Fitondram-panjakana ao anatiny paikady fisorohana sy fitsaboana dia mijery ny zava-misy ankehitriny, ao anatin'izany dia ilaina ny fanatsarana ny fandrindrana ny asa ao amin'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra. Tafiditra amin'izany ihany koa ny fanetsehana ireo loharanon-karena ilaina hanohanana ny ezaka iombonana.
Na dia efa nisy aza ny fandrosoana teo amin’ny fisorohana, ny fitiliana, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso ireo olona miaina miaraka amin’ny VIH, dia mbola misy ireo fanamby mitaky vahaolana iombonana. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana fitiliana, ny fanamafisana ny fisorohana, ny fitazomana ireo olona voakasika ao anatin’ny tolotra fitsaboana, ary ny fanatsarana ny fandrindrana sy ny fampiasana ireo loharanon-karena misy.
Nohamafisina nandritra ny fihaonana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta, ireo Andrim-panjakana samy hafa, ny Minisitera, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ny fiarahamonim-pirenena, ny vondrom-piarahamonina ary ny sehatra tsy miankina. Ny fandrindrana ny asa sy ny fifamenoan’ny andraikitra dia singa fototra hanatsarana ny fahombiazan’ny ezaka nasionaly amin’ny ady amin’ny VIH.
Ny Fanjakana dia manohana ny fiaraha-mientana tahak'izao, ny amin'ny fandrindrana mahomby fa indrindra ny fanoloran-tena iombonana no antoky ny fanamafisana ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fanatsarana ny fahasalaman’ny Malagasy tsivakivolo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 28-oct.-2026