FARITRA VAKINANKARATRA CHRR Vakinankaratra
Anisan’ny dingana lehibe ao anatin'izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitsaboana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana, izay vokatry ny fiaraha miombon'antoka ho fanarenana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa eny anivon’ny toeram-pitsaboana, mba hanolorana tontolo sahaza sy mifanaraka amin’ny filàn’ny marary.
Arak'izany dia tontosa ny asa fanarenana sy fanavaozana ny Sampandraharaha misahana ny fahasalaman'ny zaza na "Service Pédiatrie" teo anivon'ny Hôpitaliben'i Vakinankaratra. Nisy ihany koa ny fanolorana kidoro "matelas pédiatrique".
Mihavao araka izany ny fotodrafitrasa, ho fanatsarana ny tontolo handraisana sy hikarakarana ireo zaza marary, ary ho tombontsoan’ny mponina eny ifotony.
Ankasitrahana ny fiaraha misalahy nasehoan'ny Fondation Bank of Africa tamin'ny fiaraha-mientana sy ny tantsoroka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DGFS 29-oct.-2026