MADAGASIKARA MANAMAFY NY FIOMANANA, HIATREHANA IREO ARETINA AVY AMIN’NY BIBY AMIN’NY ALALAN’NY FOMBA FIASA « FAHASALAMANA IRAY » (ONE HEALTH) TAO ANTSIRABE
Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ireo solontena sy manam-pahaizana avy amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny olombelona, ny fahasalaman’ny biby ary ny tontolo iainana, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka voakasika. Ny tanjona dia ny hampivondrona ny fahaiza-manao sy ny antontam-baovao misy, mba hamantarana ireo aretina tokony homena laharam-pahamehana eto Madagasikara, araka ny fepetra nifanarahan’ireo mpandray anjara.
Aretina fito (7) azo avy amin’ny biby no voafaritra ho laharam-pahamehana taorian’ny asa sy ny fifanakalozan-kevitra nandritra ny atrikasa, toy ny peste, rage, encéphalopathie spongiforme des ruminants, tuberculose zoonotique, grippe aviaire zoonotique, fièvre de la vallée du Rift ary fièvre hémorragique Ebola. Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny paikady nasionaly ity vokatra ity. Hanampy amin’ny fanatsarana ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fiomanana hiatrehana ireo loza mitatao amin’ny fahasalamam-bahoaka izany. Izy io koa dia ho fototra amin’ny fandrindrana ireo hetsika fisorohana, ny fahitana mialoha ny aretina ary ny fandraisana andraikitra manoloana ny fiparitahany.
Nanampy amin'ny fanatanterahana ity hetsika ity ireo mpiaramiombon'antoka misehatra amin'izany. Anisa'izany ny FAO (Fikambanan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena); ny tetikasa STRIDES (Strengthening Infectious Disease Detection Systems), vatsian’ny Departemantam-panjakana Amerikana vola; OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana); Africa CDC sy US CDC.
Amin’ny alalan’izao atrikasa izao, dia manohy ny fanamafisana ny fomba fiasa « Fahasalamana Iray » (One Health) i Madagasikara. Ity fomba fiasa ity dia mifototra amin’ny fahafantarana fa mifamatotra ny fahasalaman’ny olombelona, ny fahasalaman’ny biby ary ny tontolo iainana.
Miomana mialoha, mandrindra ny ezaka ary manamafy ny fisorohana: dingana lehibe hiarovana bebe kokoa ny fahasalaman’ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA,
MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 29-oct.-2026