FANATSARANA NY FITILIANA HOMAMIADANA : FITILIANA MIALOHA, HO FANAVOTANA AINA !
MITOHY NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY KOREA ATSIMO | CHU JRA – Antananarivo
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU JRA) ny Seminera Iraisam-pirenena momba ny "Cytopathologie" andiany faha-7, izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ONG WELL ary ireo mpiara-miombon’antoka koreana.
FITILIANA MARINA SY ARA-POTOANA, HO FAMONJENA AINA.
Mandritra ny telo andro, ity hetsika ity izay mifantoka tanteraka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitiliana mialoha ny homamiadana, indrindra ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza.
Ireo manampahaizana koreana no miara-mizara traikefa sy fahalalana amin’ireo mpisehatra Malagasy, mba hanatsarana ny fahamarinan’ny valim-pitiliana sy hahafahan’ny marary mahazo fitsaboana ara-potoana.
Ho fanohanana ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, dia solosaina miisa 10, niaraka tamin’ireo fitaovana sy kojakoja ara-pitsaboana hafa, no natolotra ho an'ny CHU JRA.
Folo taona no nisian’ny fiaraha-miasa, ho fanatsarana hatrany ny fahasalamam-bahoaka izay mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy hanatsara ny fahazoan’ny marary fitiliana azo antoka sy ara-potoana.
Ny Fitondram-panjakana dia mampiroborobo ny sehatra fifanakalozana traikefa tahak'izao ao anatiny paikady iarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka, ny tanjona moa dia ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 29-oct.-2026