FANATSARANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA : HAMAFISIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA NY FAMPIASANA NY TEKNOLOJIA NOMERIKA ENY IFOTONY

 

 

 

 

Miroso amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny fametrahana ireo paikady rehetra, miroso amin'ny fampiasana ny teknolojia nomerika eny ifotony. Ho fanohanana izany, dia niroso tamin'ny fanolorana fitaovana informatika ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Ambasadin’i Etazonia eto Madagasikara.

Nitarika ny lanonana Andriamatoa Sekretera Jeneraly, Dr. Ephraïm RANDRIANAMBININA, nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ny solontenan’ny Masoivohon’i Etazonia, Andriamatoa Steve BREMNER, Lefitry ny Masoivoho Amerikanina mpisolo toerana.

Ireo fitaovana ireo dia natao indrindra hanohanana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony amin’ny fanangonana, fampidirana ary fampitana ireo antontan-kevitra ara-pahasalamana (données sanitaires). Hanamora sy hanafaingana izany, sady hanatsara ny fahamarinan’ny antontan-kevitra ary hampihena ny mety hisian’ny fahadisoana.

Hanamora ihany koa ny fampitana sy ny fanaraha-maso akaiky ireo antontan-kevitra avy eny ifotony mankany amin’ny ambaratonga foibe ireo fitaovana ireo, ka handray anjara amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fandrindrana ny tolotra ara-pahasalamana.

Dingana iray lehibe amin’ny fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana izao ezaka izao. Satria ny antontan-kevitra marina sy voaray ara-potoana dia fototra lehibe amin’ny famolavolana paikady sy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 30-oct.-2026