FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY ROSIA : DINGANA VAOVAO HO FANATSARANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA SY NY FIAROVANA NY VAHOAKA
Notanterahina tao Rosia ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Federasiona Rosiana izay manamarika dingana vaovao eo amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eo Firenena roa tonta. Tafiditra ao anatin'izany ny Fifanaraham-piaraha-miasa mahakasika ny "laboratoire mobile", izany moa dia natolotra ho an'ny Fanjakana Malagasy.
Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy hiarovana ny ain’ny vahoaka Malagasy.
Nandritra ny lanonana dia nisy ny fifanakalozana izay nikaonan-doha ny amin’ny fomba hiarahana miady amin'ireo aretina mety hiteraka valanaretina, ny fampivoarana ny fitaovana fitiliana sy ny fisorohana aretina, ny fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ny fandraisana andraikitra manoloana izany, ary ny fifampizarana traikefa.
Nanamafy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira fa manome lanja manokana ny fiaraha-miasa mifototra amin’ny tombontsoa iombonana sy ny vokatra azo tsapain-tanana ny Governemanta Malagasy, ary ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana Fanavaozana, ny fiarovana ny ain’ny Malagasy sy ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana izay dia atao lohalaharana.
Tanjona iray no iombonana : fanamafisana ny fahasalamam-bahoaka sy fiarovana ny ain’ny Malagasy, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa miteraka vokatra mivaingana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 31-oct.-2026