HETSIKA ARA-PAHASALAMANA HO AN’NY MPONINA AO AMBOHIMANGAKELY SY NY MANODIDINA

 
 

Ho fanamafisana ny fahazoan’ny mponina misitraka ny tolotra ara-pahasalamana manatona azy sy ho fitsinjovana ireo marefo dia nisy ny hetsika fitsaboana sy fizahana maimaimpoana notanterahina ny 29 sy 30 Oktobra 2026, tao Ambodivoara Ambohimangakely.

Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany teo ambany fitarihan-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, Vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga sy ny tao amin'ny Sampan-draharaham-pahalasamana ao Distrikan'Antananarivo Avaradrano.

Tolotra ara-pahasalamana maro no natolotra nandritra ireo roa andro ireo, ka anisan’izany ny fizahana sy fitsaboana ankapobeny, ny fizaham-pahasalamana manokana (soins spécialisés), ny fizarana fanafody sy solomaso maimaimpoana, ny fizahana fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny fitiliana aretina ary ny fanentanana momba ny fisorohana ireo aretina tsy mifindra sy mifindra.

Olona maherin’ny 2 000 no nisitraka ireo tolotra ireo. Nandray anjara tamin’ny hetsika ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ny sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka foibe, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy fikambanana maro samihafa.

Manamafy ny ezaka ny Fitondram-panjakana, amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fisorohana ny aretina ary ny fanamorana ny fitsaboana mifanaraka amin’ny filàny sy fiainany andavanandro.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP ANALAMANGA - COMM. 31-oct.-2026