FANATSARANA NY FAHAFAHAN’NY VAHOAKA, MISITRAKA NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA

Rosia - 29 Oktobra 2026

 
 

Mbola anisan’ny olana sedrain’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny fahasarotan’ny fahazoana fitsaboana, indrindra ho an’ireo mponina any amin’ny Faritra lavitra sy saro-dalana. Manoloana izany dia manao ny ezaka ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny amin'ny fanakaikezana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny alalan'ny fampiasana ireo fitaterana mitondra fitaovam-pitsaboana sy fitiliana mitety vohitra.

Nandritra ny adihevitra (Panel de haut niveau) momba izay fampandrosoana ny tolotra ara-pitsaboana mitety vohitra izay indrindra, no nizaran’i Madagasikara ny traikefany sy ny ezaka efa vitany tamin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana fitaterana mitondra fitaovam-pitsaboana, "radiographie mobile", "drone" ary sambo haingam-pandeha, mba hanatonana ireo mponina any amin’ny toerana saro-dalana.

Ireo fitaovana ireo dia ahafahana manatanteraka fizahana sy fitsaboana, fanaovam-baksiny, fikarakarana ny reny sy ny zaza ary fitiliana ireo aretina. Notsindriana ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny Federasiona Rosiana, izay manohana amin’ny lafiny ara-pitaovana sy ara-teknika.

Ho fanatsarana hatrany izany dia kasaina hampitomboina ireo fitaterana mitondra tolotra ara-pitsaboana mitety vohitra ireo, tafiditra ao anatin'izany ny toeram-pitiliana "laboratoire" ary ny handinihana ny fampiasana angidimby amin’ny famindrana sy fitondrana ireo marary mila fitsaboana maika sy manoloana ny tranga vonjy aina tampoka.

Manao ny ezaka rehetra ny Fanjakana Fanavaozana, manohy sy mikaroka ny fiaraha miombon'antoka, izay tanjona lehibe iray, ny hahazoan’ny Malagasy rehetra fitsaboana ara-drariny sy manakaiky azy, na aiza na aiza misy azy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 31-oct.-2026