FANADIHADIANA SY FANAMAFISANA NY FANDRAISANA AN-TANANA MANOLOANA NY TRANGA AHIANA HO
Midongy Atsimo, Oktobra 2026
Manoloana ny fandrenesana ny trangan'aretina peste, araky fizaram-baovao avy tany amin'ny Tompon'andraikitry ny fahasalamam-bahoaka tany an-toerana, mahakasika ny olona dimy ahiahiana ho voan’ny pesta aretin-tratra ny Sampandraharaha misahana ny fanadihadiana teo anivon'ny Fitaleavana misahana ny andrimaso ara-pahasalamana (DVSSER).
Raha ny fantatra dia ny telo tamin’ireo olona ireo no namoy ny ainy. Tao amin’ny Fokontany Ambalabe sy Besavoa, Kaominina Andranolalina, Distrikan’i Midongy Atsimo, no nahitana ireo tranga ireo.
Ho setrin’izany, dia nisy ny fanapahan-kevitra, nandefa iraka (sampan-draharaha maro samihafa avy amin'ny foibe sy avy tao amin'ny DRSP sy ny Distrika) nidina ifotony hanampy ny "Service de District de Santé Publique (SDSP)" tao Midongy Atsimo ho fanohanana ara-teknika toy ny fanadihadiana ara-pahasalamana ary ireo fepetra marolafy tokony iadiana amin’ny pesta.
Nifantoka tamin’ny fanangonana sy fandinihana ny fivoaran'ny fahasalaman'ireo olona narary sy ireo namoy ny ainy ny fanadihadiana. Tafiditra tao anatin’izany ny fitadiavana ireo olona ahiana ho tranga sy ireo olona nifandray akaiky tamin’izy ireo, ny fanadihadiana teny amin’ny tobim-pahasalamana sy teny anivon’ny fiaraha-monina, ary ny fanangonana vaovao momba ny soritr’aretina sy ny tantaran’ny aretina. Natao ihany koa ny fanadihadiana tamin’ny fianakavian’ireo nodimandry, mba hahafantarana misimisy kokoa ny fivoaran’ny aretina sy ny mety ho fifandraisan’ireo tranga ireo.
Anisan’ny asa natao ny fisamborana voalavo nanaovana fitiliana, mba hanampy amin’ny famantarana ny mety ho nipoiran'ny aretina. Nizara fandrika voalavo sy fanafody famonoana parasy ihany koa ny ekipa.
Naharitra enina andro ny asa tany Midongy Atsimo. Ny tanjon’ny fanadihadiana dia ny hanampy amin’ny fanamarinana raha misy na tsia ny fihanaky ny pesta, hamaritana ny fiparitahan’ireo tranga araka ny fotoana sy ny toerana ary ireo olona voakasika, ary hamantarana ny mety ho rohim-pifandraisana sy ny anton-javatra mety nampitombo ny fihanak'izany aretina izany. Ireo vaovao voaangona sy ny valin’ny fitiliana no hanampy amin’ny famolavolana ny tolo-kevitra sy ny fepetra manaraka.
Hitohy any Vangaindrano ny fitiliana ireo voalavo sy parasy. Efa misy "laboratoire mobile" (avy amin'ny Federasion'i Rosia) any an-toerana hanohanana ny asa sy hanafaingana ny fanadihadiana ara-biolojika.
Mampahatsiahy ny rehetra ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana fitsaboana haingana raha misy soritr’aretina mampiahiahy, sy ny fampahafantarana ny mpiasan’ny fahasalamana. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no manampy amin’ny famantarana ara-potoana sy ny fisorohana ny fihanaky ny aretina.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 31-oct.-2026