FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA : MITOHY NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY NY FEDERASIONA ROSIANA EO AMIN'NY LAFINY FIATREHANA SY FITANTANANA VALANARETINA

Nandritra ny dian'ny delegasiona notarihin-Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana tany Rosia, dia nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fahasalamana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Tao anatin''izany, ny fizarana ny zava-misy marina eto amin'ny Firenena mahakasika ny sehatry ny fahasalamana amin'ny ankapobeny indrindra fa amin'ny lafiny fiatrehana ny valanaretina isan-karazany, izay itantsika fa misy eo amin'ny Firenena hafa.

Arak'izany tena mbola mitoetra eto Madagasikara ny pesta, izay ahitana manodidina ny 75 % amin’ireo tranga voatatitra maneran-tany. Tamin’ny taona 2017, dia nahafaty olona mihoatra ny 200 ny valanaretina pesta. Tamin’ny Oktobra 2026, dia nisy tranga ahiahiana ho pesta tao Midongy Atsimo, ka manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso sy ny fitiliana haingana izany ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Teo anelanelan’ny taona 2024 sy 2026, dia nahazo "laboratoire biologique mobile" miisa 4, fitaovana fitiliana sy fiarovana ara-biolojika i Madagasikara, noho ny fiaraha-miasa amin’ny Federasiona Rosiana, tamin’ny alalan’ny "Institut Microbe".

Manam-pahaizana miisa 88 avy amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fitsaboana biby ary ny fampianarana ambony ihany koa no nampiofanina momba ny "épidémiologie", fitiliana pesta ary ny fampiasana "laboratoire biologique mobile". Teo ihany koa ireo iraka ara-siantifika niarahana, tamin’ny taona 2025 sy 2026 izay nahafahana nanamarina ny fisian’ny "bacterie Yersinia pestis" amin’ny biby mampinono madinika sy ny parasy entiny, ary namantatra ireo Faritra ahiana hisian’izany aretina izany.

Manamora ny fitiliana any amin’ny Faritra lavitra sy manatsara ny fandraisana andraikitra manoloana ny valanaretina ireo toeram-pitiliana mitety vohitra (laboratoire mobile) ireo.

Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao nasionaly, ny fahaleovantenan’ny toeram-pitiliana (laboratoire) ary ny fikarohana ara-tsiansa, mba hiarovana ny ain’ny Malagasy sy hanamafisana ny fiandrianam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fahasalamana fa indrindra anisany singa iray entina miady amin'ny fiparitahan'ny valanaretina iray.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 01-nov.-2026