NY FIRAISANKINA NO HERY - ANDRAIKITRA IOMBONANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
MIDONGY ATSIMO - FARITRA ATSIMO ATSINANANA
Ny Fitondram-panjakana dia manatanteraka ireo paikady marolafy raha ny fahasalamam-bahoaka no asian-teny.
Amintsika Malagasy moa ny fisorohana dia zava-dehibe, araky ny efa fantatsika hoe : "aleo misoroka toy izay mitsabo", anisan'ny fepetra efa noraisin'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanehoana ireo karazana fomba fiasa eny an-kianja ho fampiroboroboana ny fisorohana amin'ireo aretina mifindra.
Manoloana ny tranga nisy tao Midongy Atsimo, dia tafiditra tao anatin'ny asa nosahann'ireo Tompon'andraikitra isan-tsokajiny na ireo avy any amin'ny foibe na tao an-toerana ny fanatonana ireo vahoaka fa indrindra mampivondrona azy ireo.
Izany moa dia toy ny fikaonandoha, fihaonana, sy fampiofanana ary fahampafantarana ireo mponina, inona tokoa ny atao hoe : Pesta fa indrindra ny antony maha zava-dehibe ny fisorohana aminy.
Izao moa dia manamarika tanteraka ny fomba fiasa napetraky ny Fitondram-panjakana, ny amin'ny fametrahana ny olombelona ho ivon'ny fampandrosoana, ary tsy ho ankilabao izy ireo amin'ireo torohevitra miabo entina miaro ny ain'ny tsirairay sy ny fahasalaman'ny rehetra.
Ny hetsika moa dia niarahana tamin'ny Lehiben'ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Lehiben'ny Distrikan'i Midongy Atsimo, Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Antsinanana, Solontena avy amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Solontena avy amin'ny Zandarmaria.
Mankasitraka ny mpiara-miombon'antoka, ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpisehatra rehetra ary ny vahoaka amin'ny fiaraha mientana ho an'ny fahasalamam-bahoaka.
Raha misy tranga mampiahiahy dia ny fihetsika voalohany dia ny manatona tobim-pahasalamana mijery mpitsabo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 02-nov.-2026