CCSM 2026 : HAMAFISINA NY PAIKADY HO FANAFOANANA NY BILARZIOZY ETO MADAGASIKARA

Notanterahina ny 30 Oktobra 2026, tao amin’ny Hôtel Carlton Antananarivo, ny andiany fahatelo amin’ny Fihaonambe momba ny Paikady iadiana amin’ny Bilarziozy eto Madagasikara (CCSM 2026).

Niompana tamin’ny lohahevitra hoe: « Avy amin’ny fikarohana ho amin’ny asa mivaingana, ho amin’ny fanafoanana ny Bilarziozy isongadinan’ny maha-lahy sy maha-vavy » izany hetsika izany, ka nahavory manam-pahaizana nasionaly sy iraisam-pirenena manodidina ny 100 isa teo ho eo.

Nizara ny voka-pikarohana sy ny asa vitany tamin’ny alalan’ny famelabelarana ara-tsiansa ireo mpandray anjara.

Ny tanjona lehibe tamin’izany dia ny handika ny voka-pikarohana sy ny angon-drakitra azo, ho lasa vin'asa mivaingana sy ho paikadim-panjakana entina miady amin’ity aretina ity eto Madagasikara.

Nasiana fanamafisana manokana ihany koa ny resaka fahasalamana ara-pananahana sy ara-piterahan’ny vehivavy, indrindra manoloana ny loza mety ateraky ny bilarziozy mahazo ny taovam-pananahan’ny vehivavy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DLMT - SLPMERMETN 03-nov.-2026