FIFANAKALOZANA MOMBA NY FEPETRA FISOROHANA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Ambohidahy, 03 Novambra 2026
Notanterahina ny talata 03 Novambra 2026, tao amin’ny efitrano fivorian'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny fivoriana niraisan'ny Minisitera isan-tsokajiny, izay notarihin-dRamatoa Dr. MANAGNA Monira, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Nifantoka tamin’ny fandinihana sy ny fametrahana fanapahan-kevitra mahakasika ireo fepetra ara-pahasalamana (mesures sanitaires) tokony horaisina manoloana ny fiparitahan'ny aretina Ebola any amin'ny Firenena hafa toy ny Kenya sy Nigeria ary RDC ny fihaonana.
Nandritra izany no nanambaran-dRamatoa Minisitra fa ilaina ny fiaraha-miasa matotra sy hentitra eo amin’ny sehatra rehetra, mba ahafahana misoroka amim-pahombiazana ny mety ho loza ara-pahasalamana. Nasongadiny manokana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana rafitra fanaraha-maso (suivi) mazava sy voafaritra tsara, ahafahana manara-maso akaiky ny fampiharana ireo fepetra napetraka sy miantoka ny fanatanterahana izany amin’ny sehatra rehetra fa indrindra samy manana andraikitra amin’izany avokoa ny tsirairay sy ny sampan-draharaha rehetra voakasika.
Nambaran-dRamatoa Minisitra ihany koa fa hentitra ny Fitondram-panjakana manoloana ireo izay minia tsy manaraka ny lamina sy ny fepetra apetraka, izay natao hiarovana ny ain’ny vahoaka sy hisorohana ny fidiran’izany aretina izany eto Madagasikara.
Tsy maintsy hajaina sy ampiharina araka ny tokony ho izy ireo toromarika, satria adidy iombonana ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.
Araka izany, ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka dia mitaky fahamailoana hatrany, fiaraha-miasa ary fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 03-nov.-2026