3FB - VATOMANDRY : TONGA HANOHANA NY HETSIKA ARA-PANATANJAHANTENA SY FIRAISANKINA NY MINISTRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Toamasina, 04 novambra 2026
Nigadona ao Toamasina, Faritra Atsinanana, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, hanotrona ny hetsiky ny 3FB (Firaisana, Fanatanjahantena, Fahasalamam-bahoaka), izay tontosaina ny 04, 05 ary 06 novambra 2026.
Nisy ny fandraisana ara-pomba fanajana nataon’ireo Tompon'andraikitra ara-panjakana tao amin’ny Faritra Atsinanana, notarihin’ny Lefitry ny Lehiben'ny Fileovan'i Toamasina (Adjoint Prefet), niaraka tamin’ireo mpiara-dia aminy.
Ny Hôpitaly CHRD Vatomandry no toerana handraisana ireo delegasiona sy ekipa rehetra mandray anjara amin’ity hetsika ity, ary ao ihany koa no nanatanterahana ny fivoriana ara-teknika, handrindrana ny lafiny ara-panatanjahantena sy ny fandaminana ankapobeny.
Ity hetsika ity dia natao ho sehatra iray hanamafisana ny firaisankina sy ny fifandraisana eo amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, sady hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fahasalamam-bahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSINANANA - COMM. 04-nov.-2026