MIARA MIENTANA HO AN'NY FAHASALAMAN'NY RENY SY NY ZAZA : LOHARANO NY AINA NY RENY ARY NY ZAZA DIA HO AVIN'NY FIRENENA

CHU Mere Enfant Ambohimiandra - Alakamisy 05 novambra 2026

 
 

Mendrika sy nahomby ny hetsika natao androany, ny amin'ny fanolorana ny Sampandraharaha misahana ny fiterahana (Service maternité) tao amin'ny Hôpitalin'ny Reny sy ny Zaza Ambohimiandra.

Arak'izany dia toy ny vaovao ny toeram-piasan'ireo mpitsabo, fa indrindra ny toerana fandraisana marary izay hisy ireo zaza tsaboina ao amin'ity hôpitaly ity.

Raha tsiahivina kely ny fiaraha misalahy nasehon'ny mpiara-miombon'antoka "la vache qui rit" izay nanohana izany dingana lehibe izany dia ny volana aprily lasa teo, nisy ny "course solidaire" izay nokarakarain'izy ireo, ka ny saram-pandraisan'ireo olona rehetra nihazakazaka no nahavitana ny fanavaozana ny trano fitsaboana sy nividianana ny kojakoja ara-pitsaboana.

Tamin'ity lanonana ity ihany koa no nanolorana fitaovam-pitsaboana maro samihafa toy ny "table d'accouchement", "chariot de soins", "potences avec roulettes", "pousse seringue électrique à simple voie", "concentrateur d'oxygène à 9 litres" ary "tensiomètre".

Nanome voninahitra ny fotoana no sady nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ramatoa Tale Jeneralin'ny INSPC Prof. RAVAOARISOA Lantonirina notronon'ireo Tompon'andraikitra avy amin'ny "La Vache qui rit - SOMADIS" sy ny Hôpitaly manodidina mpiara miasa ary ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra ao Ambohimiandra tarihin'Andriamatoa Tale misahana ny Fitantanana ny hôpitaly Dr. Lova RAVELOMANANA.

Izao zava-bita izao dia fanehoana mazava ny finiavana sy ny ezaka iombonana amin'ny fanohanana ny ezaky ny Fitondram-panjakana ny amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fitsaboana sy ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka.

Hafatra mafonja tao anatin'ny lahatenin-dRamatoa Tale Jeneraly dia ny hoe : karakarao tsara ny Hôpitaly sy ny manodidina azy, tandrovy tsara ny toerana rehetra indrindra izay navaozina ary ampiasao amim-pahamendrehana ireo fitaovana vaovao ireo satria fantatsika tsara fa izay mahakolokolo no manana ny soa.

Etoana dia manolotra ny fankasitrahana feno ho an'ny mpiara-miombon'antoka ny "Vache qui rit - SOMADIS", sy ireo rehetra nikarakara sy nandray anjara tamin'ny "course solidaire" vokatry ny fiaraha miasa "Live and Give".

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 05-nov.-2026