FIHAONAMBEN'NY HOLAFITRA NASIONALY NY INFIRIMIERA ETO MADAGASIKARA

 
 

« Unis pour valoriser la profession infirmière à Madagascar », izany no teny filamatrin’ny holafitry ny infirmiera nandritra ny fihaonam-ben’izy ireo izay natao tao amin'ny renivohitry ny Faritra Menabe ny 05 hatramin'ny 07 novambra lasa teo.

Ny andron'ny alakamisy 05 novambra dia nosantarina tamin'ny diabe niainga teo amin'ny CAPJ Morondava ny fihaonana ary nihazo ny Espace Chris izay toerana nanatanterahana ny lanonam-panokafana amin'ny fomba ofisialy.

Nisy ny fifanakalozana sy fizarana traikefa izay hiarahana amin'ireo vahiny avy any ivelany momba ny tontolon'ny asa maha infirmiera sy ny hoaviny nandritra izany Fihaonambe izany.

Ao anatin'ny fotoana tahak'izao no ahafahana manamafy ny singa rehetra eo amin'ny sehatry ny asa fitsaboana iantsoroan'ireo Infirimiera, izay mitondra mankany amin'ny fanolorana tolotra tsara kalitao ho an'ny vahoaka.

Ankoatran’ ny sehatry ny asa dia nisy ny fotoana niarahan'izy ireo niala-voly amim-piralahiana tanteraka ary nifarana tamin'ny alim-pandihizana (Nuit des infirmiers) ny fihaonambe.

Henin-kaja Henim-boninahitra ny lanonana satria olobe manan-kaja maro sivily sy miaramila no tonga nanome voninahitra izany fotoana izany.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : CONIM 07-nov.-2026