HERINANDRO NASIONALY HO AN'NY FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA
FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA, SAFIDY MARO HO AN'NY REHETRA, AMPIASAO NY ZONAO HANDRINDRA SY HISAFIDY MALALAKA
Natomboka androany talata 10 novambra 2026 ny Herinandro Nasionaly ho fanamafisana ny tolotra momba ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana, izay ahitana ireo tolotra maro toy ny fisafoana ho an'ny vehivavy mitondra vohoka, fiomanana amin'ny fiterahana, fanaovana vaksiny ho an'ny Zaza latsaky ny 5 taona sy ny vehivavy mitondra vohoka, fitiliana maro samihafa toy ny VIH/SIDA, izay hanentanana manokana ireo zatovo sy tanora indrindra ihany koa.
Maro ireo mpisehatra ara-pahasalamana manome ireo tolotra ara-pahasalamana sy fanentanana momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ary ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana mandritra ity hetsika fankalazana ity. Ahitana izany ny eny amin’ny Esplanade Ankatso, Centre de Santé FISA Andoharanofotsy, Kianja filalaovana Basket Ambohipo ary QG Tanora MJS Ankorondrano.
Ny 12 novambra kosa no fotoana ifanomezana, ho amin'ny fanamarihana izany herinandro izany amin'ny fomba ofisialy, izay tanterahana ao amin’ny CSB II Namontana, ary eo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Anisan’ny ezaka fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izao hetsika izao, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra.
Tanjona ny hanamafisana ny fahazoan’ny tsirairay tolotra mifanaraka amin’ny filàny sy hampiroboroboana ny safidy malalaka ho an'ny isam-batan'olona.
Koa entanina ny rehetra mba tonga maro, hanararaotra ireo tolotra sy fanentanana ireo mandritra ity Herinandro Nasionaly ity, mba hahazoana torohevitra ilaina eo amin'ny lafin'ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny tontolony.
DSFA.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera
Ny Fitaleavana ny Serasera. 10-nov.-2026