HETSIKA FANDIDIANA MAIMAIMPOANA HO AN’IREO VEHIVAVY TRATRAN’NY

 
 

"FISTULE OBSTÉTRICALE", AZO TSABOINA NY ARETINA MAMANY LAVA, MBOLA MISY NY FANANTENANA!

Mitohy ny hetsika fitsaboana sy fandidiana maimaimpoana ho an’ireo vehivavy tratran’ny "fistule obstétricale", karakarain’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka aminy ny "Freedom From Fistula", ao amin’ny CHU Analankininina, Toamasina, nanomboka ny 18 oktobra ka hatramin’ny 30 novambra 2026.

Tafiditra ao anatin’ny tolotra maimaimpoana ny fizahana sy ny fandidiana, ny fanafody, ny saran-dalana miverina ary ny sakafo mandritra ny fotoana hitsaboana.

Tanjona ny hanampiana ireo vehivavy voan’ity aretina ity hahazo fitsaboana sahaza, hiverina amin’ny fahasalamana ary hahazo indray ny hasina sy ny fahatokisan-tenany.

Ezaka iray entin'ny Fitondram-panjakana hanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny fahazoany fitsaboana mendrika izao hetsika izao.

Entanina ireo vehivavy voakasik’izany sy ireo mahalala vehivavy tratran’ny "fistule obstétricale" mba tsy hangina na ho menatra, fa hanararaotra izao fotoana izao hahazoana fitsaboana hanova ny fiainany.

AZO TSABOINA NY "FISTULE OBSTÉTRICALE". AZA MANGINA, AZA KIVY, MBOLA MISY NY FANANTENANA!

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary:DSFA 12-nov.-2026