Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

Fampandrosoana ny Fahasalamana

Fanombohana ny Tetikasa

Ny Fanjakana Malagasy dia manohy ny ezaka hatrany  hampiroboroboana ny fahafahan’ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, ho fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana " Fijerena ny Maha-Olona ".   

Manatanteraka izany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka iarahana  amin'ny ONG Mercy Ministries ary YWAM SHIP SUISSE 

Tamin’ny alatsinainy 2 desambra 2024, nisy lanonana tsotra fitsenana ny fahatongavan'ny sambo "ISLAND REACH - Bateau Clinique" tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana. Nisolo tena ny Minisitra tamin’izany ny Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr. RAKOTONAVALONA Rivomalala , niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana maro tao an-toerana. Hisitraka izany ireo mponina monina amin’ireo faritra lavitra sy saro-dalana, ka azo tratrarina amin’ny alalan’ny seranan-tsambo. Marihana fa mbola hisy ny fandraisana amin'ny fomba ofisialy ity sambo sy tetikasa ity

 Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka

 

 

02-déc.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités