FANAMARIHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ANDRO MANERAN-TANY SY NY HERINANDRO HO AN’NY FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA

CBS2 NAMONTANA | 12 NOVAMBRA 2026

Laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy lavitrin'ny aretina sy mikendry ny hanan'ny tanora sy ny lehibe hoavy mamiratra, ny amin'ny fametrahana ny safidy maro amin'ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Zo fototra izany, satria miantoka ny fahafahana misafidy, miaro ny aina ary manampy amin’ny fanomanana ny hoavin’ny fianakaviana sy ny firenena.

Nomarihana tamin’ny fomba ofisialy androany, 12 novambra 2026, tao amin’ny CSB II Namontana, izany hetsika izany. Tao anatin’izany no nisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, izay efa natomboka ny 10 ary nitohy ny 11 novambra, niaraka tamin’ny hetsika fanentanana sy fanazavana. Hitohy hatramin’ny 13 novambra 2026 ny fandaharana, izay hanatanterahana ny atrikasa lehibe entina hampiroboroboana ny andraikitr'ireo mpiantsehatra rehetra amin'ny lafin'ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Tanjona amin’izany ny hanamafisana sy hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ireo vondrona samihafa, mba hanatanterahana ny vina iombonana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Anisan’ny nisongadina nandritra ny hetsika ihany koa ny fanolorana fitaovana ho fanohanana sy fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny CSB II Namontana. Anisan’izany ny mizàna fandanjana zaza sy olon-dehibe, kitapo, takela fialofana (paravent), fitaovana fandrefesana ny tosidrà (tensiomètre), ary kojakoja ara-pitsaboana maro hafa.

Nofaranana tamin’ny lalao sy fifaninanana isan-karazany ihany koa ny hetsika, izay nahitana fanontaniana momba ny tolotra fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Nisy ny fanomezana loka ho an'ireo mpandray anjara nahavaly tsara ny fanontaniana ka anisan’ny fanomezana ny vata fandrenesam-peo, kôpy sy maro hafa.

Nanome voninahitra ny lanonana androany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, notronin’Andriamatoa Lefitra Voalohan'ny Delegasiona Manokan'Antananarivo Renivohitra, ny Solotena mpisolo-toeran'ny UNFPA eto Madagasikara, ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, ny mpiasan'ny fahasalamana ary ireo mpisitraka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-nov.-2026