FIFANAMPIANA SY FIARAHA MISALAHY HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA - TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANA TAO SAINTE-MARIE.
Mitohy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana ny vahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika ara-pahasalamana nokarakarain’ireo mpitsabo miaramila, izay notanterahina tao Nosy Sainte-Marie nandritra ny telo andro, ny 10 ka hatramin’ny 12 novambra 2026 lasa teo.
Tolotra ara-pahasalamana maro toy ny fiizahana ara-pahasalamana ankapobeny sy fizahana diabeta, fitsaboana ny aretin’ny ati-vava sy fanalana nify, fandidiana toy ny "appendicite", "kyste", "hernie", "hydrocèle" sy ny maro hafa, fizahana manokana amin’ny "cardiologie", "ophtalmologie" (ORL) ary ny "pédiatrie".
Nahitana vokatra avy hatrany ny andro voalohany, satria maro ireo mponina nisitraka ireo tolotra ireo.
Valin’ny fangatahan’ny mponina nandritra ny fitsidihan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlonely RANDRIANIRINA Mickaël, mahakasika ny filàna mpitsabo manam-pahaizana manokana izao hetsika izao.
Niara nientana ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina ho fanamafisana ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana sy fanatsarana ny fitsaboana eny ifotony.
Tena naharisika tokoa ny mponina ka tonga maro nanararaotra izany fotoana izany.
DRSP ANALANJIROFO - COMM.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
MSANP
MFA
CENHOSOA
Ny Fitaleavana ny Serasera. 13-nov.-2026