MADAGASIKARA MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA IRAISAM-PIRENENA HO FANATSARANA NY RAFI-PITSABOANA
Nandray anjara tamin’ny Fihaonambe Iraisam-pirenena nokarakarain’ny Hospital Partnerships Alliance (HPA), tao Moshi, any Tanzania, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira ny 9 sy 10 novambra 2026.
« Health Futures : A Global Challenge to Innovate Together » no lohahevitra nanamarihana ity fihaonana iraisam-pirenena ity, izay nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny famolavolana vahaolana vaovao ho an’ny hoavin’ny fahasalamana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nasongadin-dRamatoa Minisitra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Hôpitaly sy toeram-pitsaboana maneran-tany entina manatsara ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara. Tafiditra amin’izany ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana.
Nohamafisina manokana ny ady amin’ireo aretina tsy mifindra, indrindra ny fiakaran’ny tosidrà, ny diabeta, ny homamiadana ary ny olana ara-pahasalamana ara-tsaina. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fisorohana, ny fitiliana ary ny fitsaboana, ahafahan’ny tsirairay misitraka tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny filàny.
Ankoatra izany, manana tanjona stratejika lehibe i Madagasikara, dia ny hahatonga ny firenena ho "Global Center" manaraka eo anivon’ny HPA. Marihina fa i Madagasikara amin’izao fotoana izao no mitarika ny Filankevi-pitantanan’ity Alliance ity, amin’ny alalan’ny Profesora Diavolana ANDRIANARIMANANA-KOCHER. Sehatra lehibe ahafahan’ny firenena manamafy ny toerana sy ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany, sady manokatra lalana hahazoana fiaraha-miasa maharitra sy stratejika ho fampandrosoana ireo Hôpitaly eto an-toerana.
Tsy mijanona amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika ihany, araka izany, ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ity fihaonambe ity. Ny tanjona dia ny handraisana sy hamadihana ireo fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho asa sy vokatra azo tsapain-tanana, entina manavao sy manatsara ny rafi-pitsaboana eto amin’ny firenena, ary indrindra hanamafisana ny fahafahan’ny vahoaka misitraka fitsaboana tsara kalitao hatrany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 13-nov.-2026