FITSABOANA TSARA KALITAO HO AN'NY REHETRA : FANOLORANA
Fianarantsoa 13 novambra 2026
Ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka aminy, hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pitsaboana eto Madagasikara, dia notanterahina androany ny lanonana ofisialy fanolorana ireo fitaovana ara-pitsaboana isan-karazany ho an’ny CHU Andrainjato sy ny CHU Tambohobe.
Notanterahina teo ambany fiahian'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, izay nisolotena azy ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana Kôlonely RAMPANARIVO Thierry Solofoniaina, notronin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, sy Ambasadaoron’i Japana eto Madagasikara ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tsokajiny avy ao Fianarantsoa. Izao ezaka izao dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale).
Nandritra izany no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovam-pitiliana "Scanner" ho an’ny CHU Andrainjato sy ireo fitaovana ara-pitsaboana isan-karazany ho an’ny CHU Tambohobe. Ireo fitaovana ireo dia natao hanamafisana ny fahafaha-manao ara-teknika sy ara-pitsaboana eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ireo, indrindra eo amin’ny fitiliana sy ny famantarana ny aretina ary ny fandraisana an-tanana ny marary ihany koa, ka hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny mponina ao an-toerana sy ny manodidina azy.
Ity fiaraha-mientana ity dia dingana lehibe maneho ny finiavana iombonana hanana rafitra ara-pahasalamana matanjaka, mahomby ary mahavaly ny filàn’ny vahoaka fa indrindra manatona ny isam-batan'olona ny fitsaboana tsara kalitao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP MATSIATRA AMBONY - COMM. 13-nov.-2026