NY FAMPANDROSOANA MIAINGA AVY AMIN'NY ANKOHONANA TSIRAIRAY - ZON'NY REHETRA MISITRAKA FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA SY NY FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA

 
 

Miroso amin'ny fanaovaozana hitondra fampandrosona ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, amin’ny fampiroboroboana ny zo ara-pananahana sy ny fahasalamana ara-pananahana ary ny fanatsarana ny tolotra momba ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana (Droit Santé Sexuelle et Reproductive). Ao anatin’izany no anatanterahana ny fanavaozana ny Komity nasionaly misahana izany, izay tohivakana tamin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany sy ny Herinandrom-pirenena ho an’ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana, ka ny fampirindrana ny fomba fiasa sy ny famaliana ny filàn’ny mponina no tanjona.

Tonga nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, tamin'izany Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Tolotra Ara-pahasalamana Dr. TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc teo ihany koa ny soloten'ireo mpiara-miobon'antoka toy amin'ny UNFPA sy ireo Ministera, sy sehatra marolafy. Tohin'ireo hetsika maro ao anatin’izany ny fanamarihana ny Herinandro nasionaly momba ny Fandrindrana ny Fiainam-piainakaviana, izay maneho ny lohahevitra manao hoe : « Un choix pour toutes et tous : pouvoir d’action, intention, accès ».

Zava-dehibe ao anatin'izany ny hamelomana indray ny anjara andraikitry ny Komity nasionaly amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fandrindrana, ny fanaraha-maso ary ny fampiharana ireo vina sy fanoloran-tena nasionaly momba ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana manaraka ihany koa amin'ireo vina napetraky ny Fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fandinihana ny zava-misy, ny famaritana ireo paikady hanatsarana ny fitantanana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, na ny sehatra miankina na ny tsy miankina amin’ny Fanjakana.

Nandritra ity fihaonana ity ihany koa no nanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra, mba hahazoana antoka fa afaka misitraka tolotra ara-pahasalamana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tsara klitao, mirindra ary mitovy lenta amin'ny rehetra.

Nohamafisina nandritran'izany ny rafitra nasionaly misahana ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana, ho fanatanterahana ireo tanjona napetraky ny firenena amin’ny fiaraha mientana hampiroboroboana io sehatry io manatratra ny tanjona ho 52% ny tahan'ny fampiasan'ny vehivavy afaka miteraka ny Fandrindrana ny Fiainam-piainakaviana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 13-nov.-2026