Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana
FANATSARANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA ETO MADAGASIKARA
Ambohidahy, Alarobia 10 Desambra 2024

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, teto Ambohidahy ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny delegasionina notarihan'i Ramatoa Dr. MAZIANGA Lucy Mazaba Liwewe Tale Rezionaly ny Ivon-toerana fisorohana sy fifehezana ny aretina aty Afrika (Centres for Diseases Control and Préventions "Africa CDC") amin’ny Faritra Afrika Atsinanana. Rafitra iray eo anivon’ny Vondrona Afrikana ny CDC, ary firenena 14 no mivondrona ao anatin’ity faritra atsinanana ity, anisan’izany i Madagasikara.
Nodinihana manokana nandritra izany ireo fiarahana miasa sy ireo paik'ady rehetra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana eto Madagasikara, hahafahana miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny Fahasalamam-bahoaka.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, izay tanterahana amin’izao fe-potoana faharoa itondran’ Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA an’i Madagasikara izao , ny "fijerena ny maha-olona", mba hisitrahan’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny tolotra ara-pahasalamana manaraka ny fenitra.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#AFRICA_CDC_REGIONAL_AFRIQUEDEL_EST
10-déc.-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...