FANATSARANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA ETO MADAGASIKARA
Ambohidahy, Alarobia 10 Desambra 2024
Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, teto Ambohidahy ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny delegasionina notarihan'i Ramatoa Dr. MAZIANGA Lucy Mazaba Liwewe Tale Rezionaly ny Ivon-toerana fisorohana sy fifehezana ny aretina aty Afrika (Centres for Diseases Control and Préventions "Africa CDC") amin’ny Faritra Afrika Atsinanana. Rafitra iray eo anivon’ny Vondrona Afrikana ny CDC, ary firenena 14 no mivondrona ao anatin’ity faritra atsinanana ity, anisan’izany i Madagasikara.
Nodinihana manokana nandritra izany ireo fiarahana miasa sy ireo paik'ady rehetra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana eto Madagasikara, hahafahana miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny Fahasalamam-bahoaka.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, izay tanterahana amin’izao fe-potoana faharoa itondran’ Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA an’i Madagasikara izao , ny "fijerena ny maha-olona", mba hisitrahan’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny tolotra ara-pahasalamana manaraka ny fenitra.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#AFRICA_CDC_REGIONAL_AFRIQUEDEL_EST
10-déc.-2024