Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana
FANAMAFISANA NY RAFI-PAHASALAMANA ETO MADAGASIKARA
Ambohidahy, 20 Desambra 2024

Ho fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny fanjakana izay mifantoka amin'ny fikarakarana ny maha-olona, dia natolotr'i Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, androany ireo boky natao hanampy ny mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra izay mirakitra ny torolalana mikasika ny fandraisana an-tanana ny marary. Miendrika algorithme na ordinogramme izany boky izany ary miisa 3 000 ny isan’ireo boky natonta, tsy hisy CSB ho adino na iray aza manerana ny Nosy noho izany.
Tafiditra anaty Paik'ady iray izay natao hampiakatra ny tahan’ny fahombiazan’ny fitsaboana sy ny fanafainganana ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka manontolo izao fanatsarana izao.
Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka dia manohy sy manatanteraka ny andraikiny ho fiantohana ny fahasalamana mendrika sy maharitra ho an'ny rehetra.
Miaraka isika hanatsara ny sehatra ara-pahasalamana eto Madagasikara
#ministerannyfahasalamambahoaka eo anilanao hatrany
SCM/DIRCOM 20-déc.-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...