FANAMAFISANA NY RAFI-PAHASALAMANA ETO MADAGASIKARA
Ambohidahy, 20 Desambra 2024
Ho fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny fanjakana izay mifantoka amin'ny fikarakarana ny maha-olona, dia natolotr'i Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, androany ireo boky natao hanampy ny mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra izay mirakitra ny torolalana mikasika ny fandraisana an-tanana ny marary. Miendrika algorithme na ordinogramme izany boky izany ary miisa 3 000 ny isan’ireo boky natonta, tsy hisy CSB ho adino na iray aza manerana ny Nosy noho izany.
Tafiditra anaty Paik'ady iray izay natao hampiakatra ny tahan’ny fahombiazan’ny fitsaboana sy ny fanafainganana ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka manontolo izao fanatsarana izao.
Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka dia manohy sy manatanteraka ny andraikiny ho fiantohana ny fahasalamana mendrika sy maharitra ho an'ny rehetra.
Miaraka isika hanatsara ny sehatra ara-pahasalamana eto Madagasikara
#ministerannyfahasalamambahoaka eo anilanao hatrany
SCM/DIRCOM 20-déc.-2024