FIARAHA-MIASA EO AMIN'NY MADAGASIKARA SY NY NORVEZY
Fitsidihana ara-pomba ofisialy an'Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin'ny toeram-piasany Ambohidahy
Tonga nitsidika an’Andriamatoa Minisitra misahana ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo tao amin’ny toeram-piasany tao Ambohidahy ny talata 14 Janoary 2025, Andriamatoa hajaina Gjermund SAETHER Masoivohon’i Norvezy eto Madagasikara vaovao.
Nivoitra mazava tamin'izany ny fahavononan’ny Firenena Norveziana hanohy ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny ezaka fanatsarana sy fampiroboroboana ny Fandrindrana ny Fiainam-Pianakaviana
hanatratrarana ny tanjona napetrakin' ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA , hanomezan-danja ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#Masoivohon_i_Norvezy
#Fandrindrana_Fianam_Pianakaviana
#Fanatsarana_ny_Rafitra_ara_Pahasalamana
14-janv.-2025