Fijerena ny maha-olona
FIARAHA-MIASA NAHOMBY TEO AMIN'NY MINISTERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY TETIKASA USAID/ACCESS
LANONANA NANAMARIHANA NY FAMARANANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY ALAKAMISY 23 JANOARY 2025, NOVOTEL IVANDRY.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana famaranana ny Tetikasa USAID ACCESS ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, notronin'ireo tompondraikitra rehetra avy ao amin'ny Minisitera sy ny Tetikasa ACCESS ary ny mpiara- miombonantoka ao anatin' izany. Nohamafisiny tamin’izany ny maha- zava- dehibe ny fidinana ifotony sy ny fanohizana ny ezaka efa natao.
Ny fiaraha-miasa nisy teo amin'ny roa tonta nandritry ny 6 taona dia tafiditra tanteraka tao anatin'ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana ankehitriny izay mametraka ny fijerena ny maha olona ho laharam-pahamehana. Tafiditra ao anatin'izany ny fampihenana ny taham-pafantesan'ny Reny sy ny Zaza, mipaka mankany amin'ny fisorohana ny areti-mifindra toy ny Tazomoka…
Vahoaka maherin'ny 18.000.000 tao amin'ny Distrika miisa 78 no nisitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao. Maro ireo paikady niaraha-nametraka hanamafisana sy hanatsarana ny rafi-pahasalamana, niainga avy any eny ifotony hatrany.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny_Fahasalam_bahoaka.
#Ministeran_ny_Fahasalam_Bahoaka #USAID
#Tetikasa_USAID_ACCESS
SCM/DIRCOM 23-janv.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...