FANATSARANA NY TOLOTRA ARA- PAHASALAMANA ANATIN’IREO 20 DISTRIKTA SARODALANA SY MITOKA- MONINA
FANAMAFISANA NY TRAIKEFAN'IREO MPITSABO MPANDIDY ARAHINA FAMPITAOVANA
Mitohy hatrany, Miroso foana ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fanatanterahana ny Politika napetraky ny Fanjakana Malagasy hampiroboroboana ny Fijerana ny maha-olona sy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana.
Natao tao amin’ny INSPC , notronin'ireo Tale Jeneraly Roa eto anivon'ny Ministera (DGFS sy DGINSPC) ny fizarana fitaovana tohy vakana ny fanofanana ireo mpitsabo mpandidy , niarahana tamin’ny ONG Koreanina AFF sy WELL International. Ny tanjona dia ny hanatsarana ny fahaiza-manao hiantohana ny fahazoan’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka fitsaboana tsara kalitao.
Fitaovana natolotra ho Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana:
- Efijery fisaka 01, natao hanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana omena,
- Milina fitarafana (échographes) 18 miaraka amin’ny kojakoja,
- Ipads 18 ( miaraka amin’ny fonony fiarovana),
- Boaty 20 ho an’ny laparotomia miaraka amin’ny kojakoja.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka.
#Tsy_hisy_intsony_Distrika_adino
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#Fitaleavana_Jeneraly_Tolotra_ara_pahasalamana_DGFS
#Institut_National_de_Santé_Publique_et_Communautaire
#ONG_AFF_WELLInternational
SCM/DIRCOM 24-janv.-2025