FITANDROVANA NY KALITAON'NY FANAFODY SY FIAROVANA NY AIN'NY VAHOAKA MALAGASY
Auditorium HAVORIA, Anosy 27 Janoary 2025
Farmasianina Inspektora 20 no nivoaka teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, raha tsiahivana dia ny taona 1999 no nisy fianianana farany teto Madagasikara.
Tafiditra ao anatin’ny asa maharitra ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihan' Andriamatoa Minisitra Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ho fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana ny manao laharam-pahamehana ny fametrahana mpiasan’ny fahasalamana manam-pahaizana, vonona sy afaka hiaro ny vahoaka
Tanjona lehibe ao anatin'izany ny Fanatsarana hatrany ny Tolotra ara-pahasalamana, ny hitandroana ihany koa ny fiarovana ny mpanjifa ary hampanjaka ny rafitra misehatra amin’ny fivarotam-panafody
Eo anilanao hatrany ny Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#USAID
#Institut_National_de_Santé_Publique_et_Communautaire
#Universite_Muhimbili
#sekoly_ambony_fahasalamam_bahoaka_Renne
SCM/DIRCOM 27-janv.-2025