Fijerena ny maha-olona

FITANDROVANA NY KALITAON'NY FANAFODY SY FIAROVANA NY AIN'NY VAHOAKA MALAGASY

Auditorium HAVORIA, Anosy 27 Janoary 2025

Farmasianina Inspektora 20 no nivoaka teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, raha tsiahivana dia ny taona 1999 no nisy fianianana farany teto Madagasikara.

Tafiditra ao anatin’ny asa maharitra ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihan' Andriamatoa Minisitra Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo  ho fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana ny manao laharam-pahamehana ny fametrahana mpiasan’ny fahasalamana manam-pahaizana, vonona sy afaka hiaro ny vahoaka

Tanjona lehibe ao anatin'izany ny Fanatsarana hatrany ny Tolotra ara-pahasalamana, ny hitandroana ihany koa ny fiarovana ny mpanjifa  ary hampanjaka ny rafitra misehatra amin’ny fivarotam-panafody

Eo anilanao hatrany ny Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka 

 

#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka

#USAID

#Institut_National_de_Santé_Publique_et_Communautaire  

#Universite_Muhimbili

#sekoly_ambony_fahasalamam_bahoaka_Renne

SCM/DIRCOM 27-janv.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités