Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana
POLITIKA ANKAPOBEN'NY FANJAKANA : MITOHY NY EZAKA SY IREO ASA ETO ANIVON'NY MINISTERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Anosy Carlton, Zoma 07 Febroary 2025

Tontosa soa aman- tsara nandritra ny 3 andro ny fivoriana lehibe niarahana tamin’ireo Fitaleavana eto amin’ny foibe sy ny isam-paritra zay nandinihana sy namaritana ny drafitr’asa mazava sy paik’ady rehetra ho entina manatanteraka ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin'ny sehatry ny fahasalamana
Nitarika sy nanome voninahitra izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Fotoana zay nahafahana nametraka Drafitr'asa mazava sy paikady matotra ho fanatanterahana ny politika ankapoben'ny Fanjakana amin'ny sehatry ny fahasalamana
Teboka manan-danja no nivoitra tamin’izao fivoriana izao : ny fanatsarana ny fitantanana, ireo paikady miainga eny ifotony, ny fizarana andraikitra mazava ary ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nohamafisina ihany koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mahomby mba hampandroso ny asa rehetra.
Eo anilantsika hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka : Manohana sy mandrindra amin’ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra noraisina, mba ho tanteraka ny ezaka efa natomboka sy ny fampandrosoana maharitra.
Mankasitraka ireo rehetra nandray anjara tamin’ity fivoriana ity, ary manantena fiaraha-miasa mahomby ho an'ny Fahasalamam-bahoaka.
Vahoaka salama no antoky ny Fampandrosoana
SCM/DIRCOM 07-févr.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...