FANATSARANA NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA : FAMPIFITAOVANA JIRO IREO HOPITALY SY CSB2 DISTRIKAN'I MANANJARY
Politika ankapobean'ny Fanjakana napetrak' Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka Malagasy, Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihin'Andriamatoa Ministra Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo dia manatanterak'izany amin'ny fanomezana rafitra ara-pahasalamana mendrika sy tsara kalitao.
Nisy ny Fametrahana jiro hanazavana ny Hôpitaly sy ny CSB2 ao Anosimparihy ary Ambohimiarina 2, Distrikan’i Mananjary. Ity fampitaovana ity dia natao hanatsarana ny fandraisana marary, indrindra amin’ny alina, mba hahafahan’ny tobim-pahasalamana manome tolotra maharitra sy mahomby.
Mijoro hatrany ny Ministera ho fiantohana ny fahasalamana ho an’ny rehetra amin’ny fijerena akaiky ny filàn’ny mponina.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#Fahasalamana_Ho_An_ny_Rehetra
#Fanatsarana_Tolotra_ara_pahasalamana
SCM/DIRCOM 19-févr.-2025