Fijerena ny maha-olona

CARAVANE MEDICAL "SAROBIDY NY AIKO": FITOVIAN-JO SY FIZAKAN-TENA : HO AN'NY VEHIVAVY SY NY TOVOVAVY REHETRA

Alarobia 26 febroary 2025, Ambohidratrimo

Ny fahasalaman'ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka no tanjona napetrakin'ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA . Manatanteraka izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny "caravane medicale" sarobidy ny aiko. Hetsika sosialy maimaimpoana izay eo ambany fiahian-Dramatoa Mialy RAJOELINA Vadin'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara no sady filoha mpanorina ny  Fikambanana Fitia.

Nanome voninahitra sy nisolotena an-Dramatoa Vadin'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa Filohan'ny Antenimieran-Doholona, androany  Alarobia 26 febroary 2025 ary nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fiatombohan'ny hetsika caravane médicale andiany voalohany, notronin'ireo olom-panjakana maro sy ireo mpiara-miombon'antoka tao amin'ny kianja filalaovam-baolina Ambohidratrimo.

Manomboka eto amin'ny Faritra Analamanga ary hiazo ny Faritra Betsiboka sy Boeny ny fiaraben'ny Fahasalamana . Hifarana  amin'ny  fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Vehivavy any amin'ny Faritra Boeny ny sabotsy 8 Marsa ho avy izao.

 Anatin'ny fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana "fijerena ny maha olona"  izao hetsika ara tsosialy izao. Hanomezana  tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tsara kalitao sy marolafy ary raitra ho an'ny vahoaka Malagasy.

Vahoaka salama no antoky ny fampandrosoana

#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka

#Association_Fitia

#Caravane_Medicale_Sarobidy_ny_Aiko

#8_marsta_Boeny

 

SCM/DIRCOM 26-févr.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités