FIJERENA NY MAHA OLONA SY FANATSARANA NY TOLOTRA ARA-PAFAHASALAMANA : FANANGANANA HOPITALY MANARAPENITRA
Faritra Astimo Atsinanana sy Amoron'i Mania
Mitohy ny ezaky ny Fitondram-panjakana ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny marary amin’ny alalan’ny fanatsarana ny foto-drafitrasa mba ho « Fijerena ny maha-olona »
Nijery ifotony ny fandrosoan’ny fananganana Hopitaly Manarapenitra tao amin'ny Distrikan'ny Farafangana sy ny Distrikan’ny Ambositra, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo , izay notronin'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eny ifotony. Isan’izany ny Filiha lefitra ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa.
Natao izao fitsidihana izao mba ho fanaraha-maso ny fizotry ny asa
Eo anilanao hatrany ny Ministeran’ny _Fahasalamam-bahoaka.
#Faritra_Amoron_ny_Mania
#Faritra_Atsimo_Atsinanana
SCM/DIRCOM 01-mars-2025