Fijerena ny maha-olona

FIJERENA NY MAHA OLONA : FANDRAISANA AN-TANANA IREO TRA-BOIN’NY RIVO-DOZA

Ny fitondram-panjakana ankehitriny dia manao ho zava-dehibe ny fijerena ny maha olona , izay fanehoana ny maha-olombelona sy  ny fandraisana andraikitra amin'ny tena zava-misy eo amin'ny fiainam-bahoaka.

Tao aorian'ny fandalovan'ny rivodoza Honde, dia tsy niandry ela arak'izany  ny filoham-pirenena Andriamatoa  Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka  Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo fa nidina ifotony tao amin'ny kaominina Itampolo, faritra Atsimo andrefana naneho fahavononana tsy manam-paharoa tamin'ny fanomezana izay  voatsirambin'ny tanana sy ny fandraisana  an-tanana ny fahasalaman'ireo tra-boina .

Nifanidra an-dalana tamin'izany dia nisy ihany koa  tamin'ny alalan'ireo Fitaleavam-Paritra  voakasik'izany ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ireo tra-boina aman'arivony tamin'ireo faritra hafa voa mafy .

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan'ny mpiasan'ny fahasalamana  dia tsy mitandro hasasarana hatrany amin’ny fanatontosana ny adidy masina hiarovana ny ain’ny tsirairay sy  mijoro hatrany ho mpiara-dia amin’ny vahoaka, manoloana ny fanamby  ara-pahasalamana.

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

 

 

 

02-mars-2025

Zoom sur

Nos autres Activités