FIJERENA NY MAHA OLONA : FANDRAISANA AN-TANANA IREO TRA-BOIN’NY RIVO-DOZA
Ny fitondram-panjakana ankehitriny dia manao ho zava-dehibe ny fijerena ny maha olona , izay fanehoana ny maha-olombelona sy ny fandraisana andraikitra amin'ny tena zava-misy eo amin'ny fiainam-bahoaka.
Tao aorian'ny fandalovan'ny rivodoza Honde, dia tsy niandry ela arak'izany ny filoham-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo fa nidina ifotony tao amin'ny kaominina Itampolo, faritra Atsimo andrefana naneho fahavononana tsy manam-paharoa tamin'ny fanomezana izay voatsirambin'ny tanana sy ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman'ireo tra-boina .
Nifanidra an-dalana tamin'izany dia nisy ihany koa tamin'ny alalan'ireo Fitaleavam-Paritra voakasik'izany ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ireo tra-boina aman'arivony tamin'ireo faritra hafa voa mafy .
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan'ny mpiasan'ny fahasalamana dia tsy mitandro hasasarana hatrany amin’ny fanatontosana ny adidy masina hiarovana ny ain’ny tsirairay sy mijoro hatrany ho mpiara-dia amin’ny vahoaka, manoloana ny fanamby ara-pahasalamana.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
02-mars-2025