Ny fanatsarana ny Fahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny reny ary ny zokiolona mihoatra ny 65 taona

FANAOVAM-BAKSINY

1 015 200 ny zaza vita vaksiny nandritra ny hetsika 100 andro

NIROTSAKA AN-TSEHATRA HO RENY MPIAHY NY FANAOVAM-BAKSINY NY ZAZA ETO MADAGASIKARA NY VADIN'NY FILOHAM-PIRENENA, Ramatoa Mialy RAJOELINA

1 015 200 ny zaza vita vaksiny nandritra ny hetsika 100 andro

100 102 ny zaza zéro dose

Paikady mahomby ary vokatra azo tsapain-tanana ny fitetezana isan-tokantrano, afahan'ireo zaza misitraka ny vaksiny sahaza azy.

Ity taona 2024 ity dia natokan'ny fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka  ho taom-panaovan’ny vaksiny. Taorian’ny valanaretina Covid-19 dia nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny maneran-tany, koa teto Madagasikara dia ny 2019 hatramin'ny Martsa 2024 dia eo amin'ny 1.200.000 mahery kely ny isan’ny zaza tsy nisitraka vaksiny mihitsy. Ireo zaza ireo anefa no tena marefo ka mila arovana haingana, koa nametraka paikady ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka nanomboka tamin'ny janoary teo mba hampiakarana ny tahan’ny zaza Malagasy vita vaksiny.

Paikady nampiharina mba hampiakarana izany tahan’ny fanaovam-bakisiny izany ohatrany:

  • Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-panaovam-baksiny tany Toamasina
  • Fanaovam-baksiny manakaiky vohitra fara-fahakeliny 05 andro isambolana
  • Ireo fitsaboana manakaiky vahoaka natao
  • Ny fiaraha-miasa tamin'ny mpanentana ara-pahasalamana sy ny ireo olobe to-teny
  • Ny fametrahana fifandraisana tsy misy elanelana omba-toro-marika isanandro mankany amin'ny ekipa ifotony

Vokany: 

Ankizy vita vaksiny ny volana Janoary hatramin’ny volanaMartsa 2024: 1.015.200 ankizy ary ny zaza miisa 100.102 amin’izy ireo dia tsy mbola nisitraka vaksiny mihitsy.Noezahina notratrarina tamin’izany paikady fanakaikezanany vahoaka izany ny fanaovana vaksiny an’ireo zaza any amin'ny toerana mitoka-monina

DIRCOM 26-avril-2024

Zoom sur

Nos autres Activités