FAHASALAMANA MANAKAIKY VAHOAKA
Fankalazana manetriketrika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy
Tonga eto Mahajanga androany maraina Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTAN Zely Arivelo, miaraka amin’ny ireo mpikambana amin'ny Governemanta.
Amin-kafaliana sy finiavana lehibe, hiara-hisalahy amin’ireo Mpiasan’ny Fahasalamana rehetra izy amin’ny fanomanana sy fanomezana tolotra tsara indrindra ho an’ny vahoaka.
Hanotrona amin’ny fo sy fanoloran-tena ihany koa ireo hetsika maro nomanin’ny Fanjakana, hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy .
Andro iray feno fiara-mientana ho an’ny Vahoaka eto Mahajanga! Aoka isika hifampizara sy hiara-mientana hatrany!
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
#Ministeran_ny_fahasalamambahoaka
#Caravane_medicale_sarobidy_ny_aiko
#Andro_maneran_tany_ho_any_vahivavy
SCM/DIRCOM 06-mars-2025