FANAVAOZANA ARA-NOMERIKA IREO SAMPAN-DRAHARAHA ENY ANIVON'NY HOPITALY
FANATSARANA NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA SY FAHAIZA-MITANTANA
Ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fitantanana mangarahara ny ady amin'ny kolikoly ary ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.
Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin'Andriamatoa Ministra Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, dia mikatsaka hatrany ny fametrahana rafi-pitsaboana maoderina amin'ny fampiasana teknolojia haitao ara-kajy mirindra, miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra.
Tanjona ny hampiasana teknolojia avo lenta hanatsara ny fandraisana sy ny fikarakarana ireo marary ary ny fahaiza-mitantana ho fampandehanan-draharaha lavitry ny kolikoly eny anivon'ny hopitaly.
Hopitalim-panjakana roa no hanombohana ny tetikasa ka ny CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU-JRA) sy CHU Analakely (CHU-SSPA). Fanavaozana goavana ity, alohan’ny fampiharana manerana ny firenena.
#Minisiteran_ny_fahasalamam_bahoaka
#Ministeran_ny_Fampiroboroboana_ny_Haitao_Ara_kajy_Mirindra_ny_Paositra_ary_ny_Fifandraisan_davitra
#FahasalamanaNomerika #Fahaiza_mitantana
#Madagasikaramandroso
14-mars-2025