Fijerena ny maha-olona

FANOMEZANA TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA IREO TRABOINA VOKATRIN'NY RIVO-DOZA JUDE

Ao anatin’ny politika  ankapoben'ny Fanjakana "fijerena ny maha-olona" indrindra ho fiarovana ny vahoaka amin’ny loza voajanahary sy ny vokany, dia mandray andraikitra avy hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny fahasalamana ho fiatrehana ny fandalovan’ny rivo-doza JUDE sy ny tondra-drano.

Mba hiantohana ny fahasalaman’ireo tra-boina dia napetraka haingana ireo fepetra maika any amin’ireo faritra voakasik’izany amin'ny fanomezana fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana eny amin'ireo toeram-pandraisana an-tanana.

  • Tolotra marolafy sy tsara kalitao no natolotra : 
  • Fanaraha-maso ara-pahasalamana sy fitsaboana  ho an’ireo tra-boina ;
  • Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, amin’ny alalan’ny fanomezana torohevitra sy fanafody sahaza;
  • Fampiroboroboana ny fahasalamana  amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny ho an’ny zaza sy ny reny;
  • Fitiliana sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ho an’ny zaza latsaky ny dimy taona.

Miezaka hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny ekipa mpitsabo sy teknisianina eny ifotony manao fanaraha-maso akaiky sy mandray fepetra mifanaraka amin’ny filàna eny an-toerana , ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka

#SDSP_Toliara_II

#SDSP_Beloha_Androy

#SDSP_Antananarivo_Avaradrano

#FahasalamanaHoAn’nyRehetra 

 

SCM/DIRCOM 15-mars-2025

Zoom sur

Nos autres Activités