Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FITOKANANA NY "MAISON DES INFIRMIER(E)S"

MAISON DES INFIRMIER(E)S Mahamasina, 20 Martsa 2025

Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny *"Maison des Infirmier(e)s"*, foto-drafitrasa hanampy sy hanatsara ny fepetra iasan’izy ireo ho fampiroborobohana sy fampivoarana ny sehatry ny fitsaboana ho an'ny fahasalamam-bahoaka 

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo  notronin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ahitana Solombavambahoaka sy Ben’ny tanana infirmiera eto Madagasikara. 

Notsindrian’Andriamatoa Minisitra tamin'ny lahateniny fa zava-dehibe izao fanamby napetrakin' ny Holafitra izao satria tena mifanindran-dalana mazava amin'ny Politika ankapoben'ny Fanjakana ny amin'ny fanomezan-danja ny maha olona, satria hiseraserana, hampivoharana sy  hamerenana ny hasin'ireo infirmiera eto Madagasikara ary tsy ho irery izy ireo ao anatin' izany fa manohana azy hatrany ny Ministera.

Nohamafisiny  ihany koa ny hoe :

Mila miray fo sy manandratra avo ary saropiaro satria Rehareha ho an'ireo infirmiera ny misehatra ho an'ny Fahasalamam-bahoaka

Eo anilanareo hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka 

#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka 

#Conseil_de_lOrdre_National_des_Infirmiers_de_Madagascar

 

 

 

 

 

SCM/DIRCOM 20-mars-2025

Zoom sur

Nos autres Activités