Fijerena ny maha-olona
FAHASALAMANA SY SAKAFO VOALANJALANJA : FISOROHANA IREO ARETINA TSY MIFINDRA
PARIS - Alakamisy 26 martsa 2025:

Fihaonambe siantifika nokarakarain’ny Agence Française de Développement (AFD). Anisan’ny Delegasiona nandray anjara mavitrika ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, nizara ny momba ny ady amin’ny aretina tsy mifindra, indrindra fa ny hatavezana.
Nasehon'ireo Mpikaroka tamin’ny voka-pikarohana fa mamaritra betsaka ny fahasalamana ny sakafo hohanina sy ny fahazaram-pisakafoanana.
Namafisina tamin'izany fa tokony hanana anjara toerana lehibe amin’ny fiainana andavanandron' ny mponina ny valim-pikarohana ara-tsiantifika ary tokony ho azony takarina mba hahafahany mandray andraikitra ny amin'ny fahasalamany.
Eto Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fanamafisana ny fisorohana amin’ny aretina. Mila mahafantatra ny sakafo voalanjalanja tokony hohanina ny tsirairay ahafahana misafidy sy miaro ny fahasalaman’isam-batan’olona.
Eo anilanao hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka
#FahasalamamBahoaka
#Sakafo_voalanjalanja
#SakafoAraPahasalamana
#Fisorohana_aretina
SCM/DIRCOM 26-mars-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...