PARIS - FAHASALAMAN'NY RENY : ADY AMIN'NY TSIFANJARIANTSAKAFO
Ezaka vitan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo izay nandraisan'Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo anjara famelabelarana.
Nanazavany ireo paik'ady napetraka sy vokatra mifanindran-dalana amin'izany izay voafaritra tanteraka ao anatin'ny Politika ankapoben'ny Fanjakana "Fanatsarana ny Fahasalaman'ny Reny ", amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo fanampin-tsakafo sy tohana maro samihafa.
Izany dia ahafahana manome tanjaka sy herijika manokana ny Vehivavy mitondra vohoka sy hanampy amin'ny fisorohana ireo aretina mety hahazo toy ny fahaverezan-dra be loatra eo ampiterahana, tsy fahampian-danja ny zaza ateraka ary ireo loza amin’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza, indrindra ny fahafatesan'ny reny eo am-piterahana
Eo anilanao hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka
#FahasalamamBahoaka
#Fanjariantsakafo
#Fahasalamany_Reny_syny_Zaza
27-mars-2025