Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana
FANANGANANA SY FANATSARANA NY FOTODRAFITRASA ARA-PAHASALAMANA HO AN’NY DAHOLOBE
Fanatanterahana ny politika ankapoben'ny Fanjakana

Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, dia nanatanteraka fidinana ifotony, nitsidika ireo fotodrafitrasa sy ivon-toerana ara-pahasalamana manan-danja ao amin’ny Faritra Atsinanana. Ity hetsika ity dia singa manan-danja ao anatin’ny Politika ankapoben'ny Fanjakana " Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana" manerana ny Nosy.
Nandritra izany dia nojerena sy narahana maso akaiky ny fandrosoan’ny ireo asa fananganana sy fanavaozana amin’ireto toerana ireto: ny Tranoben'ny IFIRP, ny tao amin'ny Hopitaly Bé (CHUAT) Analakininina (Laboratoire, Incinérateur, Générateur d'oxygène), ny CSB II Manarapenitra Dépôt Analakininina ary ny Laboratoire ACSQDA izay anisan’ny lehibe indrindra aty amin'ny Faritry ranomasimbe indianina.
Tanjona lehibe amin’izao hetsika izao ny hanamafisana ny fahavononan’ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana manoloana ny filàn’ny mponina, sy hanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika, mahomby ary mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
Eo anilanao hatrany ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM 02-mai-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...