NOSY BE FOTODRAFITRASA MAHARITRA FAMPIROBOROBOANA NY RAFITRA SY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA HO AN'NY VAHOAKA
Sabotsy 24 Mey 2025
Anisan'ireo mpikambana anatin'ny Governementa nanatrika ny Filan-kevitry ny Ministra, niara-dia tamin'Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Andriamatoa Praiministra NTSAY Christian tany Nosy Be, ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo .
Ho Fijerena manokana ny Maha olona, hisy ny fametrahana " SCANNER " manara-penitra sy avo lenta ataon'ny Fitondram-panjakana ao Nosy Be, Faritra DIANA .
Tonga nanara-maso ny fizotran'ny fotodrafitrasa hananganana ny trano hametrahana an'izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Vinavinaina ho vita alohan'ny faran'ny volana jiona izany.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM 24-mai-2025