hafa

NOSY BE FOTODRAFITRASA MAHARITRA FAMPIROBOROBOANA NY RAFITRA SY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA HO AN'NY VAHOAKA

Sabotsy 24 Mey 2025

Anisan'ireo mpikambana anatin'ny Governementa nanatrika ny Filan-kevitry ny Ministra, niara-dia tamin'Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Andriamatoa Praiministra NTSAY Christian  tany Nosy Be, ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo .

Ho Fijerena manokana ny Maha olona,  hisy ny fametrahana   " SCANNER " manara-penitra sy avo lenta ataon'ny Fitondram-panjakana  ao Nosy Be, Faritra DIANA .

Tonga nanara-maso ny fizotran'ny fotodrafitrasa hananganana ny trano hametrahana an'izany  Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. 

Vinavinaina ho vita alohan'ny faran'ny volana jiona izany.

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

SCM/DIRCOM 24-mai-2025

Zoom sur

Nos autres Activités