hafa

MIARINARIVO, FARITRA ITASY FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN'NY FANJAKANA

Tanàna Madio, Antoky ny Fahasalamana ho an’ny Rehetra

Manoloana ny toromarikin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA , ny amin'ny fanatanterahina  ny Fifaninanana Tanàna Madio ho an’ny Renivohim-paritra manerana an’i Madagasikara.

Ao anatin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany ny Renivohim-paritra Itasy , ka Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo no "Ministre Coach" nitarika izany. 

Nanao fidinana ifotony tany an-toerana ny tenany , niaraka tamin'ny Lehiben'ny Distrika, ny Préfet,  ny Ben'ny tanana voafidy tao Miarinarivo sy ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny, nijery ny zava-bita sy nikaroka paikady mahomby hanatsarana ny tanàna sy hampanjakana ny fahadiovana maharitra.

Tanjona lehibe ny fanamafisana ny ady amin’ny aretina mifandray amin’ny loto sy ny fametrahana ny fahasalamana ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainam-bahoaka.

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

SCM/DIRCOM 05-juin-2025

Zoom sur

Nos autres Activités