Fampiroboroboana ny Sehatry ny fivarotam-panafody eto Madagasikara
Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ireo mpikambana vaovao voafidy ao anatin'ny Holafitry ny Farmasianina (Ordre Natioanal des Pharmaciens), tonga nitsidika tamim-pomba ofisialy taorian’ny nahalany azy ireo
Tanjona iombonana ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin'ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Natsidika sahady tamin’izao fihaonana voalohany izao ny fanatsarana ny sehatry ny fivarotam-panafody eto Madagasikara, indrindra amin'ny fanolorana fanafody tsara kalitao sy ho azo sitrahan'ny rehetra araka ny rindran-damina napetraky ny Politika ankapoben'ny Fanjakana mitondra mankany amin'ny Fijerena ny maha olona.
ministeran’ny fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany
07-juil.-2025